“Ho anay manokana, efa ela no niandry ny hisian’ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana. Nefa ny fanokafana azy tokony hiantsoana ireo mpisehatra rehetra”, hoy ny mpitondra tenin’ny Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella, ny amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Efa nitondra tolo-kevitra fanatsarana ry zareo, fa ny tsara indrindra dia mamory ireo mpisehatra rehetra hangatahina izay tiana hohatsaraina ao anatin’ny lalàm-pifidianana. Efa misy fitsipika ny fanoratana lalàna. Izay no tsy maintsy hakana ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana: ny fiarahamonina sivily, ny antoko politika, ny Ceni… Satria hita tamin’ny farany teo fa tsy ampy ny fifampiresahana teo amin’ny Antenimierandoholona sy ny Ceni. Izay no nahatonga ny hoe fitoriana.
Raha misy ny fahavononana ho amin’ny fanatsarana, afa-manao fakan-kevitra na ny Ceni na ny governemanta. Maro ny zavatra azo hatsaraina, na ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy aza, ohatra. Ho an’ny Safidy, tsara kokoa raha omena rafitra hafa izay fanavaozana isan-taona izay. Ny Instat, ohatra, efa manana fahaizana manokana amin’ny fanisam-bahoaka. Mipetraka amin’ny fanaovana fanaraha-maso ny Ceni amin’izay. Amin’izao, ny Ceni no manao azy ary miteny hoe mety io. Ny fanaovana fampielezan-kevitra, ohatra: tsy misy lalàna manery an’ireo mpirotsa-kofidina hilaza izay fiavian’ny vola ampiasaina. Ny lalàna milaza hoe mila manao tatitra ny antoko politika, fa tsy misy miteny hoe: ahoana raha tsy manao tatitra, ahoana raha misy zavatra tsy mazava na fanodinkodinam-bola ao anatin’ny kaonty?
R. Nd.




