Tokony hanontaniana ny hevitry ny vahoaka, araka ny hevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Firaisankina, Antananarivo V, Ralambozafimbololona Fetra, ny amin’ny dinika momba ireo Nosy malagasy any Paris, Frantsa, omaly. Tsy ho vita izay fa tokony ho nandalo teny amin’ny Antenimierampirenena ny hevitry ny delegasionina ny amin’izany.
Raha vao ady tany, ady no tsy maintsy handeha raha tsy mahay fifampiraharahana, araka ny fanehoan-kevitry ny mpahay toekarena, Ramakavelo Faly, ny amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy. Hiditra amin’ny ady ve? Marimaritra iraisana no tena tsara. Azo atao tsikelikely ny fiaraha-mitantana; avy eo, miverina tsikelikely amin’ny tena afaka dimy na folo taona.
“Tsy afa-kampiasa hery isika”, hoy ny filohan’
ny CFM teo aloha, i Maka Alphonse, momba ireo Nosy malagasy. Tsy afa-kampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana iraisam-pirenena raha tsy ny roa tonta no samy manolotra izany hotsaraina. Ny diplaomatika: tsy mamaha olan’ny fiandrianam-pirenena ny fiaraha-mitantana fa ny lafiny toekarena.




