TSELATRA

Tafakatra 17 ny namoy ny ainy vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo niseho tany Ambositra, ny alahady 22 jona lasa teo. Niisa efatra mianadahy ny maty omaly, raha ny tatitra voaray farany. Mbola miatrika fitsaboana any amin’ny hopitaly Antsirabe ny telo ary tsaboina etsy amin’ny HJRA Ampefiloha ny iray hafa.
Voatifitry ny zandary, afakomaly, ny dahalo raindahiny antsoina hoe: Jean Paul, rehefa nikasa handositra nandritra ny fitondrana azy teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana tany Mampikony ho any Ambodimanga, kaominina Ampasimatera. Jiolahy raindahiny sy ikoizana amin’ny halatra omby ary fikasana hamono olona ary miray tsikombakomba amin’ny asan-dahalo izy io.
Tovolahy iray namoy ny ainy vokatry ny kilalao mahery setra tany Ankijandava, kaominina ambanivohitra Alatsinainikely, distrikan’i Miarinarivo, ny alin’ny 25 jona teo. Nisangy sy nifanenjika teny amin’ny arabe ireto mpirahalahy ireto. Tampoka, nitsirara tamin’ny lalana ny iray. Rehefa nojerena, nahitana dian’antsy ny kihon-tanany ary rovitra ny takibany, nivoraka ny tsinainy. Voasambotra ihany ilay nahavanon-doza na dia nandositra aza.

Partager sur: