Haharitra hefarana ny fanadinana BEPC, hifarana ny alakamisy, ho an’ireo hiatrika ny taranja tenim-pirenena vahiny. Mahatratra 299 312 ny mpiadina manerana ny Nosy.
Teny amin’ny CEG Tanjombato no notsidihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny ekipany nandritra ny fisantarana ny fanadinana BEPC, omaly maraina. “Misy lamina sy paikady ny fanomanana ny fanadinana manerana ny Nosy, tsapa fa nilamina ny fanomanana rehetra”, hoy ny minisitra. Nidodododo vao maraina ny ray aman-dreny nanatitra ny zanany teny amin’ny foibem-panadinana. Saro-pady ny fanabeazana ary zava-dehibe ny fanarahana ny ara-dalàna ka manentana ny ray aman-dreny izahay tsy ho alaim-panahy hividy laza adina diso amin’ny tambajotra sosialy. Lasa fitadiavam-bola manimba ny fikarakarana ny fanadinana izany. “Efa noraisina ny fepetra rehetra tsy hisian’izany nefa raha sanatria mitranga, efa samy mahalala ny andraikiny ny tsirairay ary tsy handeferana”, hoy ny minisitra. Teo imason’ny minisitra no namohana ny vata vy nametrahana ny laza adina rehetra. “Ho an’ny CEG Tanjombato, mahatratra 1 077 ny isan’ny mpiadina, mitsinjara amin’ny foibe roa miaraka amin’ny EPP Tanjombato, 39 taona ny zokiny indrindra raha 12 taona ny zandriny indrindra”, hoy ny lehiben’ny foibem-panadinana teny an-toerana, Rakotojaona Andriamampianina Liva.
Ankoatra ny fanomanana, ny lamina momba ny fakana sy fitehirizana ny laza adina, nisy ny fivoriana notanterahina ny zoma lasa teo niaraka tamin’ny mpitana an-tsoratra sy ny mpanara-maso ny fizotry ny fanadinana isaky ny efitrano ary ny mpitandro filaminana. 80 ny isan’ny olona miasa ao amin’ny foibem-panadinana roa mandritra ny efatr’andro haharetany. Voaaraka ny ora napetraka, nanomboka ara-potoana ny fiantsoana anarana sy ny fiatrehana ny fanadinana.
Vonjy




