Fankalazana ny jobily faha-45 taon’ny FLM Toby Fanantenana 67Ha. Niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa. Nanotrona teny an-toerana koa ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’ny Avo. Nisy ny teny faneva «Mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo» Efesiana 2, 21b.
Hetsika “Fijery hafa” ao Bongolava. Nampiofanana momba ny fiompiana bitro, narahina fampiharana avy hatrany ka nahafahan’ireo mpiofana niaina sy nianatra tamin’ny fomba mivantana ny teknika sy fahaiza-manao ilaina amin’izany. Nitohy tamin’ny fampiofanana nifantoka amin’ny sehatry ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro izany avy eo.
Fananganana saina, omaly 30 jona 2025, tao Fianarantsoa. Hetsika niarahana tamin’ireo mpanakanto ao amin’ny Oniversite, notarihin’ny filoha, ny profesora Hajalalaina. Nanotrona izany ny profesora Chaminah Loulla, hetsika hampandrosoana ny fandriampahalemana,enti- manatsara ny fiaraha-miasa sy ny fitantanana eo anivon’ny oniversite




