Hotanterahina ny alakamisy 03 jolay 2025 ho avy izao, amin’ny 09 ora maraina, ao amin’ny FJKM Ilanivato Misionera, ny fotoam-pivavahana noho ny faha-25 taona maha mpitandrina an-dRafaliarivonisolo Olivier Gérard. Ny synodam-paritany SPAA10 no hitarika ny fotoana amin’io, raha ny alahady 06 jolay 2025, amin’ny 08 ora sy 30mn maraina kosa ny fiarahana amin’ny fiangonana manontolo. Ny teny faneva iorenan’ny fankalazana dia ao amin’ny Mpitsara 6 : 14b, 16b : « Mandehana amin’izao herinao izao… ; homba anao tokoa Aho ». Efa ao anatin’ny hetsika fanomanana rehetra, araka izany, ny komity mpikarakara ny taon-jobily amin’izao fotoana izao. Miantso ny zanaka am-pielezana rehetra ireo komity hifanome tanana sy ho fanohanana ny mpitandrina amin’izao lanonan-dehibe izao.
J.C




