Fifidianana loholona : Tsy tokony ho sakana ny tsy fahafenoan’ny mpifidy

“Tamin’ny fifidianana loholona farany teo, ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ihany no nifidy. Horaisina ho didy fakan-tahaka ve izay? Raha ny lalàna fototra, tokony hoe feno ny mpifidy vaventy. Tsy tokony ho sakana amin’ny fifidianana loholona ny tsy fahafenoan’ny mpifidy. Ny finiavana sy fanapahan-kevitra politika no tsy ampy”. Io no nambaran’ny KMF/Cnoe Fa­na­beazana olom-pirenena, notarihin’ny filoha nasionaliny, i Namearison Robert, tamin’ny mpanao gazety teny Antanim­ena, omaly.
Na izany aza, tsy tokony hisy olana ny fanomanana fifidianana eny anivon’ny Faritra. Hameno ny mpifidy vaventy eny anivon’ny Faritra sy ny Faritany, araka ny lalàmpanorenana izany. Mora ny manao izany, raha ny fotoana ananana amin’izao. Ny finiavana politika no tsy ampy ka miteraka olana. Nefa tsy manizingizina ry zareo hoe tsy maintsy atao izay fifidianana izay hitantanana ny Faritra sy ny Faritany. Mba tsy hilazana indray hoe hahemotra ny fifidianana loholona noho ny tsy fahavitan’izay fifidianana izay. Tsy tokony hisy fanemorana na inona antony ny fifidianana loholona. Na izany aza, ampirisihina ny fitondram-panjakana hihevitra na hilaza ny tena hataony marina momba ny fifidianana eny anivon’ny Faritra sy ny Faritany.
Momba ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana: anisan’ny hanolotra tolo-kevitra ny KMF/Cnoe hanatsarana ny rafitra sy ny zotram-pifidianana. Tsy tokony ho hevitr’olon-tokana na firehana tokana no hanatsarana ny rafi-pifidianana eto Madagasikara. Tokony halaina ny hevitry ny rehetra voakasiky ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: