Mikatona tanteraka ny tetikasa Miarova. Nisongadina ny zava-bita, raha ny tatitry ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Yasmine Lethicia Lydia.
Nandritra ny 5 taona ny tetikasa, izay nanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana, nikendry ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana manerana ny Nosy amin’ny fisitrahan’ny olona vaksiny.
Niha mafy hatrany ny tanjaky ny tetikasa ka nanamafy orina ny rafi-pahasalamana. Maro ny zava-bita azo tsapain-tanana nandritra ny fotoam-piasana, nanomboka ny taona 2021. Vahoaka 3 308 071 vaaro tamin’ny valanaretina covid19. Vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro 250 no naparitaka manerana ny Nosy. Vata fampangatsiahana 24, scanner 10, fitaovana fitarafana 50 ary moto 500 nanohanana ny ekipa eny ifotony hanamafisana ny sehatry ny fahasalamana.
Teo koa ny fanofanana ny mpiasan’ny fahasalamana hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana.
Nanatsara ny kalitaon’ny fitsaboana manerana ny Nosy izany. Namela lova tsara ny tetikasa Miarova dia ny aina voavonjy sy ny fahatanjahan’ny rafitra ara-pahasalamana.
Tatiana A




