Miaina ao anatin’ny tahotra sy fitaintainana tanteraka ny mpino silamo eo anivon’ny moske 67 Ha Atsimo amin’izao fotoana, raha ny filazan’izy ireo. « Misy taratasy sy feo mandeha any milaza ny hanovana ny rafitra misy eo anivon’io moske io», hoy ireo tomponandraikitra mitantana eny an-toerana, eo anivon’ny Fikambanan’ny silamo malagasy (FSM), raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. «Voalaza fa misy hevitra avy amin’ny fitondram-panjakana hanova ny rafitra misy eo anivon’io toeram-pivavahana io», hoy i Abdoulah Moudine, filohan’ny kaomity eo anivon’ny moske Antananarivo. Nambarany fa manana rafitra azy ireo manokana io moske io, izay rafitra efa nisy hatramin’izay. Maro ny moske eto Antananarivo, ary samy manana ny rafitra mifehy azy avokoa. Lasa mampikorontana ny mpino silamo ao amin’io toerana io ny zava-misy. Noho izany, mangataka ny Prefe an’Antananarivo izy ireo mba hijery ny zava-misy eny an-toerana. “Misy mpitondra fivavahana, ray aman-dreny sy tomponandraikitra maro eny an-toerana afaka mandray sy manome fanazavana mahakasika izany”, hoy ihany izy ireo. Anisan’ny mitondra fampandrosoana eto Madagasikara ny silamo. Miangavy ny fitondram-panjakana tsy hizarazara taratasy satria toerana masina sy saro-pady ny moske. Anisan’ny feo mandeha koa hoe fa ovana ny anaran’io moske io. Nohamafisin’izy ireo fa tsy mbola miova ny anaran’ny moske eny an-toerana. Mbola mijanonana ho Mosqué d’Antananarivo izany, hatramin’izao.
Mino




