Notanterahina afakomaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) Anosy, ny fanehoana ny vokatry ny asa vita teny anivon’ireo kaominina ho an’ny Matac/ Hanorina. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera fa mamaly ny fahavononan’ny fanjakana hanavao sy hanatsara ny fitantanana sy ny asa eny anivon’ny kaominina ny Matac/ Hanorina. “Natao hanamora sy hanatsotra ny tolotra omen’ny kaominina ho an’ny vahoaka, indrindra eo amin’ny fanomezana fahazoan-dàlana amin’ny sehatry ny fanajariana ny tany, toy ny fahazoan-dàlana hanorina izany ny Matac”, hoy ihany izy ireo.
Anisan’ny nisongadina tamin’ny vokatra ny asa ny fanofanana sy fanohanana ara-teknika ho an’ny kaominina miisa 38 ao amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo. Mbola nisitraka tolotra internet koa ireo kaominina ireo. Manampy izany ny fanomezana ordinatera sy fitaovana ara-teknika ho an’ny kaominina vaovao miisa 21 ary koa ny fampitaovana ireo sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny fampiharana ny Matac/Hanorina. Anisan’ny vokatry ny asa vita nanaovana tatitra koa ny fifaneraserana sy fanentanana ho an’ireo vahoaka mpisitraka izany.
Tsiahivina fa efa nanomboka ny dingana faharoa amin’ny tetikasa, tanterahin’ny MFFT ary tohanan’ny tetikasa Produir.
Synèse R.




