Fiaraha-miasa sinoa-malagasy : Vita ny sonia momba ny vary manara-penitra

Tetikasa mikendry ny hanavao ny fambolena, ny hametraka an’i Madagasikara ho maodely amin’ny fiaraha-miasa sinoa-afrikanina. Hisy ny laboratoara manana fahaiza-mamakafaka ny kalitaon’ny voa sy ny fitiliana mialoha ny aretina sy ny bibikely hatsangana.

Nanatanteraka fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa (MOU) ho­enti-manangana laboratoara mamakafaka vary manara-penitra ny Fiaraha-miasa stratejika eo amin’i Madagasikara sy i Chine. Ny sekreteram-pan­jakana izay miandraikitra ny fiandrianam-pirenena ara-tsakafo sy ny oniversiten’ Anta­­­na­narivo, ivon’ny fanavaozana ny fambolena malagasy, ankilany. Ny Foibem-pikarohana momba ny vary manara-penitra ao amin’ny faritanin’i Hunan (Sinoa) kosa andaniny. Tetika­sa mikendry ny hanavao ny fam­bolena ma­lagasy sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, fa indrindra ny hametraka an’i Madagasikara ho maodely amin’ny fiaraha-miasa sinoa-afrikanina eo amin’ny sehatry ny fambolena ity natao ity. Hetsika fanohizana mivantana ny fanoloran-tena natao tao amin’ny Fi­haonam­be Beijing, Forum momba ny fiaraha-mi­asa sinoa-afrikanina (Focac), ny septambra 2024, ny amin’
ny fanirian’izy ireo hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, indrindra amin’ny sehatra manan-danja amin’ny fiarovana amin’ny ara-tsakafo. Natsangana, araka izany, ny vondrona iraisan’antoko telo ho fanaraha-maso tsy tapaka ny tetikasa. Nifa­na­raka ny roa tonta amin’ny fa­nanganana laboratoara miavaka manana fahaiza-mamakafaka lalina ny kalitaon’ny voa sy ny fanatsarana ny toetry ny tontolo iainana ary ny fitiliana mialoha ny aretina sy ny bibikely.

Fanohanana ara-teknika

Ao ny Sesa izay manome fanohanana ara-politika. Eo koa ny foibem-pikarohana mom­ba ny vary manara-penitra (HHRRC), manome fahaizana ara-teknika sy siantifika malaza maneran-tany. Ary ny oniversiten’ Anta­nanarivo, izay manome fanohanana akademika sy fitantanana fampandehanana ary fampiantranoana ny laboratoara. Nanatrika izany ny akademia sady sekre­tera jeneralin’ny antoko kaomonista sinoa, ao amin’ny akademia momba ny Siansa sy ny fambolena, Bai Lianyang, misolo tena ny Foibem-pikarohana momba ny vary manara-penitra ao amin’ny faritanin’i Hunan (Chine). Teo koa ny filohan’ny oniversi­ten’Antananarivo, profesora Rivoarison Randriana­solo. Ni­solo tena ny fitondram-panjakana, nandritra izany, ny sekreteram-panjakana avy ao amin’ny fiadidiana ny Repobli­kan’i Ma­dagasikara miandraikitra ny fiandrianam-pirenena ara-tsakafo, miaraka amin’ny sekreteram-panjakana, Razanama­he­fa Maminjatovo Tahin’Ny Avo.

Ninah (mpianatr’asa)

Partager sur: