Fifaninanana « Word Travel Award ». Nandresy tamin’ny fanehoana ny maha natiora miavaka sy toerana tsy manampaharoa ho an’ny mpizahatany i Madagasikara. noharahabaina sy nankasitrahana ihany koa ny Andilana Beach Resort. Izy ireo izay nitazona ny anaram-boninahitry ny ranomasimbe Indianina ho an’ny torapasika lehibe indrindra, nandritra ny 10 taona nisesy.
Tohana ara-tsosialy ao Vangaindrano. Nisy ny fanomezana fehezan-karona ho an’ireo tokantrano marefo miisa 450 ao amin’ny fokontany Betafo ho fanohanana ny andavanandron’izy ireo. Hetsika nokarakarain’ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana sy ireo manampahefana ary ny fikambanana Vangaindrano Mandroso.




