Ady amin’ny kolikoly: Manjaka loatra ny tsimatimanota

“Manjaka loatra ny tsimatimanota no tsy nampahomby antsika amin’ny ady amin’ny kolikoly”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Kaomity mitandro ny fahitsiana (CSI), Andriami­fidy Jean-Louis, tamin’ny fanaovana tatitra momba ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, 2025-2030, teny anivon’ny Antenimieram­pirenena, Tsimbazaza, omaly. Izay no nanaovana ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny tsimatimanota. Naha­tonga tsy nahazoana niady tamin’ny tsimatimanota ny lalàna nisy sakana. Fam­pandraisana anjara ny rehetra amin’ny ady amin’ny kolikoly ny paikadim-pirenena. Any anivon’ny sampandraharaham-panjakana sy ny seha-pihariana rehetra no anaovana azy. Tsy ny Bianco irery ihany no miatrika izany, na ny Samifin, na ny Arai… Ny rehetra no miara-miatrika ny kolikoly, mametraka ny fepetra hanoherana ny kolikoly amin’izay rafitra sy sehatra rehetra izay. Any no miara-mandinika an’izay.
Ny tsy nahamety ny ady amin’ny kolikoly teo aloha koa ny tsy fananana kolontsaina fahitsiana sy fahamarinana. Izay no tena manapotika firenena. Misy toe-tsaina tia kely izay eo amin’ny Malagasy. Amin’izany, vao kely ny zaza dia tokony hobeazina hanana kolontsaina mandà kolikoly sy ny fitiavan-kely. Ny fitiavan-kely sy ny fisian’ny tsimatimanota izany no fototry ny tsy nahazoana nandroso tamin’ny ady amin’ny kolikoly. Izay no tena fototra amin’izao paikadim-pirenena vaovao izao. Noho izany, ambany dia ambany ny isa azo amin’ny vokatry ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara.

R. Nd.

Partager sur: