Hentitra ny depiote Raholdina Naivo. “Tsy tokony hindram-bola eny amin’ny banky ireo matahotra TVA 20%”, hoy izy. Nohitsiny fa misy antony matoa nolanian’ny depiote ilay famerenana ny fitakiana tataovan-ketra amin’ny zana-bola indramina eny amin’ny banky. “Tsy misy mpitondra hampijaly vahoaka izany”, hoy izy.
Hiara-miasa hiady amin’ny kolikoly ny parlemanta sy ny Tambajotran’ireo parlemantera Apnac. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, ny loholona avy any Zimbaboe, Chef Chikwaka, teny Tsimbazaza, omaly. Nohamafisina fa lehibe ny toeran’ny parlemantera ho fanavaozana ireo lalàna momba izany.
Nolanian’ireo depiote, afakomaly, ny tolo-dalàna, ny maha saropady ny fanafody amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka. Hitondra fanovana momba ny fivarotana ireo fanafody miavaka na ”Specialité pharmaceutique” izany. Araha-maso ny kalitao sy ny fomba fampiasana ny fanafody mialoha ny hitsinjarana azy ary ahazoana alalana manokana izany.
Nanazava ny raharaha politika eto Madagasikara ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, raha nandray ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo, Khazamula Chabane, tetsy Anosy, omaly. Nambarany fa misy ireo miezaka mamboly korontana amin’ny fampiadiana ny mpitondra fanjakana, ny fanelezana vaovao diso ary ny fampihorohoroana.




