Hetsika fampifaliana ny ankizy ato anatin’ny faritra Analamanga. Nisy ny fizarana kilalao tao amin’ ny trano fitaizana zaza kamboty Triomphe Ambohimangakely, izay fiaraha-miasa amin’ny Project Christmas Child. Miisa 117 ireo ankizy nisitraka izany.
Nandray anjara tamin’ny atrikasa fanamarinana ny Politikam-pirenena sy ny fandaharanasa nasionaly momba ny fiarovana sy ny fahasalamana ny Gem. Manolo-tena tanteraka amin’ny fampiharana ity politika ity ny orinasa mpikambana, ary resy lahatra fa fitaovana fototra ho an’ny fandrosoana ara-tsosialy ny fanatanterahana izany maharitra.
Tatitry ny filankevitry ny minisitra. Nisy ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika eo amin’ ny lafiny fitaterana izay mampiroborobo ny fizahantany. Mila jerena manokana ny fanjariana ny seranam-piaramanidina ao Fianarantsoa hahafahana mandray ireo sidina anatiny, eo ihany koa ny zotra an-dalamby ho an’ny Fianarantsoa mankany amin’ny tapany atsimo.




