Tsy mbola nisy fivoarana ny ady ho amin’ny fanovana ny lalàna mandrara ny fampitsaharana vohoka na inona na inona antony. Nametraka sahanasa vaovao telo ny Nifin’akanga amin’ny Farimbona 2.0. Iarahany miasa amin’ny Amplify Change, mba hampandrosoana sy hanamafisana ny ezaka vita tamin’ny dingana voalohany.
Haharitra 24 volana ny fanatanterahana ny fandaharanasa Farimbona 2.0, sahanin’ny hetsika Nifin’ Akanga. Tajona ny hanamafisana ny ezaka efa vita tao anatin’ny dingana voalohany Farimbona 1.0. Eo koa ny tsy hanasokajiana ny fampitsaharana ny vohoka noho ny antony ara-pahasalamana ho heloka manoloana ny lalàna. Vina telo no iompanan’ny Farimbona 2.0. Voalohany ny fampivondronana ireo mpitondra fivavahana eto amin’ny ranomasimbe Indianina sy aty Afrika. Handreasy lahatra fa ilaina ny fananana fomba fijery hafa momba ny zon’ny vehivavy sy ireo izay niharan’ny fanolanana sy ny fanolanana nataon’ny olom-pady. Io ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fandaharanasa, Razanandrysia Douglas Evalienne, omaly, teny Ambatomaro. Vina faharoa ny hampandraisana anjara ny tanora eny anivon’ny Lycée miisa 32, anatin’ ny faritra valo, iasan’ny Nifin’ akanga. Hanehoan’izy ireo hevitra manodidina ny zo sy fahasalamana ara-pananahan’ny vehivavy ao anatin’ny zavakanto. Misy fifaninanana ho an’ny faritra sy nasionaly hanasongadinana ny talentan’ ireo tanora. Ankoatra izay, omena sehatra koa ny artista efa niofana haneho sehatra iray, hanohy ny fanentanana eny amin’ny fiarahamonina miaraka amin’ny sanganasany. Farany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiandraikitra ny sampana (antenne) eny anivon’ny faritra iasan’ny hetsika. Hisy fanadihadiana hijerena ny zava-misy eny ifotony hahafahana manao drafitrasa sy adisisika entina mampita hafatra eny amin’ny fiarahamonina. Ny sehatrasa telo hotanterahina dia hanova ny filazana fa ny fivavahana sy ny kolontsaina no sakana tsy ahafahana miroso amin’ny fandraisana ny fampitsaharana ny vohoka noho ny antony ara-pahasalamana ho heloka.
Vonjy




