Nanao tatitry ny fihaonana faharoa, natao tany Frantsa, momba ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ireo delegasionina niatrika izany.
Manana fanentanana betsaka ireto iraka ireto raha ny nisongadina tetsy amin’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny Anosy, omaly, nanoloana ny mpanao gazety, taorian’ny dinika nifanatrehana tamin-dry zareo Frantsay, momba ireo Nosy Malagasy.
Nambaran’izy ireo tamin’izany fa fahombiazana tanteraka no azon’ny delegasionina tamin’ity iraka diplaomatika natao tany Paris, Frantsa ity. “Vokatry ny fikarakarana hentitra ary ny fahavononana amin’ ny fiarovana ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny zo ara-tantara, fitakiana ara-drariny sy mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena izany”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nohazavain’izy ireo tamin’izany koa ny votoatin’ireo fangatahana fototra nataon’i Madagasikara. Notanisaina tamin’izany ireo teboka manan-danja voarakitra ao amin’ ny fanambarana iombonana navoakan’ny firenena roa tonta tamin’ny fiafaran’izao fivoriana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany izao. Anisan’ izany ny fametrahana ho ambony ny fiandrianam-pirenena sy ny fitakiana ara-tantara. Manampy izany ny fiaraha-miasa anaty filaminana. Eo koa ny momba ny fivezivezen’ny mpanjono malagasy sy ny fandraisana anjaran’ny mpikaroka momba ireo Nosy malagasy ireo. Nasongadin’izy ireo koa ny fisitrahana ireo antontan-kevitra eo amin’ny lafiny siansa, ary ny fametrahana rafitra iombonana hanara-maso ny fandrosoan’ny dinika.
Fifanatrehana andiany fahatelo
Na izany aza, mbola miandry ny fifampiraharahana amin-dry zareo frantsay amin’ny fifanatrehana andiany fahatelo hatao eto Madagasikara amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny ho tohin’ny dinika ho amin’ny famerenana ireo Nosy Malagasy. Mazava ny nambaran’ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, namintina izany rehetra izany. “Ambony tanteraka ny tokinaina amin’ny fahazoana ireo Nosintsika ireo”, hoy izy.
Synèse R.




