Hentitra ny baikon’ny filoha Rajoelina Andry. Handefa dokotera mpitsabo hidina ifotony hijery ny momba ilay valanaretina nahafaty olona maro any Ikongo ny fitondram-panjakana, araka ny nambarany. Nambarany koa fa homena CVO maimaimpoana ireo mponina any an-toerana, hiadiana amin’ny tazomoka.
Mitaky ny marina sy ny fanadihadiana lalina momba ireo olona maty noho ny fanapoizinana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc. Nambarany, tetsy Bel Air, amin’ny fanamarihana ny faha-23 taon’ny antoko, fa ilaina ny mangaharaha momba izany. Nisy ny atrikasa hanatsarana ny fiainan’ny antoko, taorian’izany.
An’ny Malagasy ireo Nosy manodidina, araka ny nambaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany fa efa hitany tany amin’ny fivorian’ny ONU ny maha antsika ireo Nosy ireo ary tsy afaka amin’ny Malagasy ireo. “Ilaina ny delegasionina manana ny fahaiza-manao… Nahay ve ireo iraka nalefa tany? Tokony ho hentitra isika”, hoy izy.
Nanao tatitra ny fivorian’ny Antenimiera teny Faravohitra ireo depiote Firaisankina. Nambaran’izy ireo fa feno sakantsakana sy tsy nafahana namoaka ny hevitry ny vahoaka izany. “Nosakanana ireo fikasanay hanao tatitra amin’ny mpifidy. Nolaniana amboletra tsy nodinihina lalina ny ankamaroan’ireo lalàna”, hoy ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny.




