Hotanterahina etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba, ny 7 hatramin’ny 9 jolay izao ny “Salon de la rélation client et des centres d”appels”. Hisy fandraisana mpiasa avy hatrany amin’izany.
Miditra amin’ny hetsika andiany voalohany ny tomponandraikitra. Nambaran’ny mpikarakaraka amin’ny alalan’ny ZRK Evenement, Zina Rakotoseheno, tetsy amin’ny foiben’ny Skiillz, Water Front Ambodivona, fa maherin’ny 30 ireo tranoheva ho hita eny an-toerana. Haneho sy hampahafantatra ny momba azy amin’izany ireo mpisehatra amin’ny Call Center sy ireo asa mifanandrify amin’izany. Manentana ireo tanora hitondra ny mombamomba azy (CV) ireo orinasa sy ny mpikarakara. “An-jatony any ho any ireo taratasy fangatahana asa (CV) horaisina eny an-toerana. Eo koa anefa ny handraisana ireo te hanaraka fiofanana”, hoy ny eo anivon’ny Skiillz, amin’ny alalan’i Miharintsoa. Nanteriny fa hisy voaray hiasa avy hatrany ireo mahafeno ny fepetra. Manampy izany ny tolotra ho an’ireo te hiofana ka ho maimaimpoana ny fisitrahana izany. Eo koa anefa ny handoavana sarany, arakaraka ny safidy sy ny sehatra ary dingana hatao, raha ny nambarany hatrany.
Tolotrasa marobe
Tolotra hafa koa ny fahafahana miasa any an-trano “Teletravail”. “Hovatsiana fitaovana hanatanterahina izany ireo maniry hanao izany”, hoy Razafimahatratra Niry Malala. Anisan’izany ny ordinatera sy ny kojakoja miaraka aminy rehetra. Nohamafisin’izy ireo fa tolotrasa marobe no hita eny an-toerana amin’ity hetsika ity. Tsy voatery ho amin’io fotoana io ihany anefa fa mbola mandray mpiasa hatrany koa izy ireo isan’andro eny amin’ny foiben-toeran’ny orinasa tsirairay avy.
Tsiahivina fa ankoatra ny fandraisana tanora hiasa avy hatrany eny an-toerana, hisy ny famelabelaran-kevitra manodidina ny Call Center. Eo koa ny fanehoana ny maha izy azy avy ireo orinasa misehatra amin’izany.
Synèse R.




