Teknikam-pambolena “Pfumvudza”: Haparitaka amin’ny sekoly

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny EPP Mahamasina, ny fiofanana ho fampiharana ny teknikam-pambolena Pfumvudza iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana miasa. Tanjona ny hampahaleo tena ireo sekolim-panjakana manana fampisakafoana an-tsekoly amin’ny alalan’io teknikam-pambolena io. Teny Andakana no natao ny fampiharana ny fiofanana mahakasika ny tekinikam-pambolena Pfumvudza norantovina tao Mahamasina.
Firosoana amin’ny fanajariana sy famaritana ny valatahaka eny an-toerana no notanterahina tamin’izany, notarihin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, natrehin’ireo teknisianina avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Haparitaka ity teknikam-pambolena ho an’ny distrika ity ka hisitraka azy ny eny anivon’ny sekoly, fonja, ny sehatra tsy miankina ary ny eny amin’ny tantsaha amin’ny sehatra tantanim- pianakaviana ho fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Vonjy

Partager sur: