Hetsika firaisankina ao Analamanga. Nisy ny fandrahoana sy fanomezana sakafo mafana ho an’ireo olona miisa 200 raisina an-tanana ao amin’ny akany fialofana Seba sy Madcap. Nifanome tanana tamin’ny fanatanterahana izany ny fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny firaisankina Analamanga miaraka amin’ny Tily Madagasikara.
Fanatsarana ny sehatry ny asa tanana ao Ambositra. Noraisina ny soso-kevitra toy ny fahazoana akora fototra sy ny fanamorana ny fandoavana ny vokatra vita avy any amin’ny faritra mankany Antananarivo. Eo ihany koa ny fampitomboana ny fiofanana, ny fanatsarana ny toeram-pivarotana mifanaraka amin’ny fenitra mitovy ary ny fitiliana ifotony kokoa ny mpandoa hetra.
Fitokanana fotodrafitrasa sy asa sosialy ao Fianarantsoa. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Commissariat de police, EPP manara-penitra, hopitaly, ny dortoir universitaire vaovao ary ny biraom-panjakana tao Fianarantsoa. Nisy ihany koa ny fanampiana ara-tsosialy natolotra mivantana ho an’ireo marefo.




