Notanterahina teny amin’ny Toby Ratsimandrava, ny 2 jolay teo, ny fikaonandoha niarahan’ny Parlemantera Zimbaboanina sy ny sampandraharaha avy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena miady amin’ny kolikoly. Niatrika ity fihaonana ity ny lehiben’ny sampana miady amin’ny kolikoly (Apanac) any Zimbabwe, Goromonzi Chikwaka. Teo koa ny solontenan’ny parlemanta malagasy, ny depiote voafidy tao Ambohidratrimo, Rakotoarisoa Johnny, ny lehiben’ny sampana fanadihadiana anatiny eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny commissaire divisionnaire de police, Rakotomalala Simon, ny lehiben’ny sampana misahana ny ady amin’ny kolikoly (DLCD) eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny commissaire principale de Police, Andriamasy Ainarivonjy Olivier, ary ny lehiben’ny sampana momba ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Ramasitera Ny Haingo sy ny Jly Rabemanantsoa Josh.
J.C




