Nosy malagasy : Niaro ny tontolo iainana ny Frantsay

Nitondra ho amin’ny lalana fiarovana ny tontolo iainana sy ny karazan-javamananaina ny ankolafy frantsay. Eo koa ny fikarohana siantifika, ny toekarena manga (ao anatin’izany ny fizahantany sy ny jono), ny fiarovana ny ranomasina ary ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna. Io no anisan’ny voatsiahin’ny fanambarana iombonan’ny vaomiera frantsay-ma­lagasy momba ireo Nosy malagasy manodidina, nampitaina omaly. Araka ny fivoriana faharoa momba ny Nosy Glo­rieuses, Juan de Nova sy Eu­ropa ary Bassas da India, tao Quai d’Orsay, Paris, Frantsa, ny 30 jona.
Nangatahin’ny Malagasy ny hahazoan’ny mpanjono ma­lagasy manjono manodidina amin’ireo Nosy ireo, ny fahazoan’ny mpikaroka mala­gasy manao fikarohana any an-toerana, ary ny fahazoana mijery ireo tahirin-kevitra siantifika efa nataon’ny Frantsay. Nangatahina koa hampiato ny asa mandeha ila any amin’ireo faritra voalaza ny ankolafy malagasy, hanohy ny fifanakalozan-kevitra ho amin’ny vahaolana milamina sy maharitra, ary hametraka lasitra iraisana hohajaina ny amin’izay ho fiandrianana amin’ireo Nosy ireo. Nampahatsiahiviny koa ny handrafetana tondrozotra ho amin’ny fifanakalozan-kevitra maharitra sy fivoriana ara-potoana ary tetiandro mazava ho amin’ny fifanarahana iombonana. Voarain’ ny ankolafy frantsay ny fangatahana, nampahatsiahivany ny toerany ny amin’ny fiandrianana amin’ireo Nosy ireo.
Samy nanaiky ny amin’ny karazan-javamanaina amin’
ireo Nosy ireo izay tokony ha­rovana ny roa tonta. Samy ma­­namafy ny ankolafy roa tonta ny firaiketam-pony amin’ny lalàna iraisam-pirenena. Toy izany koa ny amin’ny lanjan’ny fandriampahalemana, ny fifanajana, ny fiaraha-miasa amim-pirahalahiana izay mi­tondra ny fifandrasian’ny samy firenena.

R. Nd.

Partager sur: