Nampahafantarin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny didim-panjakana momba ny fifanarahana fampanofana tany. Maneho ny dingana ho amin’ny fanavaozana ny fitantanana ireo tanim-panjakana izany.
Nambaran’ny eo anivon’ny Tahirim-bolam-pirenena ho an’ny fananantany (FNF) ao amin’ny MFFT fa efa nivoaka sy naparitaka ny didim-panjakana mametraka ny bokim-piraketana nasionaly ho an’ireo fifanaraham-panofana tany (SNB).
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny 18 jona 2025 ny didim-panjakana momba izany. Rejisitra nasionaly natao hitehirizana sy hitondrana ny rakitry ny fifanarahana fanofana ireo tanim-panjakana manerana an’i Madagasikara ny SNB. “Ho famondronana ireo angon-drakitra rehetra momba ny fanofana tany izany. Ho fanatsarana ny fangaraharahana sy ny fanaraha-maso ny fitantanana ireo fifanaraham-panofan-tany ihany koa”, hoy ny eo anivon’ny FNF.
Nanterin’ny fampahafantarana fa tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ireo andinindininy ary miara-miasa amin’ny fitalevana ankapobeny ho an’ny sampandraharahan’ny fananan-tany (DGSF) ny eo anivon’ny FNF.
Fifanarahana fanofana tany
Araka izany, miantso ireo olona nanao sonia fifanarahana fanofan-tany izy ireo mba hijery ny lisitry ny antontan-taratasy takina ary hanatona ny FNF. “Tafiditra ao anatin’izany ny fanofana tany maharitra. Eo koa ny fanofana tsotra mba hampanoratra ny fifanarahana fanofana tany ananany”, hoy ny FNF.
Notsiahivin’izy ireo ary nanentanany ny rehetra fa ilaina ny fanarahana tsy tapaka ny pejy facebook ofisialy an’ny MFFT sy ny FNF mba hahafantarana ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina amin’izany sy ireo fanazavana fanampiny. Eo koa ny fanatonana mivantana ny Tahirim-bola nasionaly ho an’ny fananantany FNF, Route Digue – Ambodimita, Enceinte Apipa, Antananarivo 101
Synèse R.




