Notontosaina ny sabotsy teo, tany Mahajanga, ny fivorian’ireo mpikambana amin’ ny antoko politika Tanora mala Gasy Vonona (TGV). Tanjon’ity fampivoriana ity, tany an-toerana, ny hanaovana fanavaozana sy fanamafisana indray ny antoko. Eo koa ny fanamafisana ny fahavononana eo amin’ny fampandrosoana ny faritra any an-toerana, araka ny baiko efa napetraky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry.
Nanatrika izany teny an-toerana moa ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), izay sady minisitra mpiahy ity faritra ity, Moustapha Abdulah Marson. Nisongadina nandritra ity fotoana ity, ny fifanakalozan-kevitra nifanaovan’ireo tomponandraikitra eto amin’ny firenena tamin’ireo tanora. Miampy ny famelabelarana ny paikady vaovao sy ny vina ho ezahina ho tratrarina amin’ny hoavy.
Tsara ny mampahafantatra fa antoko iray, mbola manana ny tanjany ao amin’ity faritra Mahajanga ity, ny TGV. Miara-mientana amin’ny filohan’ny Repoblika malagasy izy ireo, amin’ny asa fampivoarana ny firenena ary ny fanatrarana ny tanjona izay efa napetraka, amin’ilay teny hoe: “Madagasikara tsy maintsy mandroso!” Manaporofo izany moa, ny fahatongavan’ireo olom-bofidy sy voatendry maro tany an-toerana, nanatrika ny hetsika.
F.R




