Nanotrona ny fankalazana ny faha-23 taonan’ny antoko Tim ny avy amin’ny HVM. Nisolo tena azy ireo ny sekretera jeneraly, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa potika tanteraka ireo seha-pihariana rehetra ka mila fanarenana sy fanovana. Nisy ny fahanginana iray minitra ho an’ireo maty noho ny fahapoizinana sy ny any Ikongo, tetsy Behoririka, nandritra izany.
Anisan’ny voatsiahy tamin’ny famaranana ny fivorian’ny Antenimierandoholona, tetsy Anosy, ireo fidinana ifotony sy fiahiana ny lanonana fametrahana samboady an’ireo ben’ny Tanàna nataon’ity Andrimpanjakana ity. Teo koa ny iray minitra fahanginana ho fanehoana fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana niharam-boina rehetra eto amin’ny firenena.
Tafatsangana ny kaomisionina hisahana ireo lafiny maro amin’ny fanomanana sy ny fanantotosana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, natao teny Ampahibe, ny herinandro teo. Nitarika izany ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Voaresaka manokana ny lafiny fiarovana sy filaminana amin’ny fandraisana ireo delegasionina.
Manohy ny asa sosialy ataony ireo depiote Tim. Anisan’izany ny eny Ambohimanarina ho amin’ny fanaovana didim-poitra faobe, ho an’ny ankizy maherin’ny 300 sy olon-dehibe, miisa fito. Tahaka izany koa ny hetsika nataon’ny depiote Tim eny Atsimondrano. “Natao izao ho fanamaivanana ny fahahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka”, hoy izy ireo.




