TSELATRA

Lehilahy iray 26 taona tratra nangalatra moto iray mitentina 300 000 Ariary tao amin’ny tokantrano iray tetsy Ankadimbahoaka, omaly hariva tamin’ny 4ora. Niditra antsokosoko tao amin’io tokantrano io io olon-dratsy io ary nangalatra ny entana. Nahatsikaritra izany ny tompon-trano ary niantso polisy. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny CSP5 izy mialoha ny hanolorana azy any amin’ny fitsarana.
Lehilahy 25 taona maty nitsambinkina avy eny amin’ny rihana fahatelo, tao amin’ny tranon’ny miaramila (Cité des cadres de l’armée de l’air) eny Ivato, afakomaly. Nisy andian-jatovo manodidina ny 10 nirevy teny amin’ny la­varangan’io rihana io nanomboka tamin’ny 10 ora maraina.

Partager sur: