Fanatsarana fomba fiasa : Nohamoraina sy tsy ela ny fanamarinana fananan-tany

Dingana iray lehibe… Natolotry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, teny amin’ny fari-piadidian’ny Fananan-tany, Antananarivo Renivohitra, Anosy, omaly, ny “Distributeur automatique d’information” (Dai).

Vokatry ny fampiasana informatika amin’ny fangatahana taratasy fanamarinana fananan-tany (“certificat de situation juridique”) sy sarintany izany, izay azo ao anatin’ny minitra vitsy. “Nan­dritra ny 18 volana latsaka no nitondrana an’io tetikasa io manokana ho an’Antanana­rivo Renivohitra”, hoy izy. Eto Antananarivo no be “titre” sy sarintany indrindra. Tena asa be no nanaovana informatika ny antontan-taratasy na ny sarintany rehetra.
Asabe vao nahatonga an’io vokatra io. Efa hita any amin’ny toerana hafa, na any Sainte-Marie sy Nosy Be izany. Ny teto An­tananarivo no tena mafy indrindra. Din­gana iray no vita, ary hotohizana amin’ny tanàna hafa izay ezaka izay.

Tsy hisy filaharambe intsony

Mampanantena ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany fa tsy hisy filaharambe sy fiandrasana elabe intsony ny fahazoana taratasy fanamarinana fananan-tany sy sarin­tany, fa ao anatin’ny minitra vitsy. Io kosa ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany, Ra­zafindratsimba Vonjy.
Ny tetikasa Produir, vatsi­an’ny Banky iraisam-pirenena vola, no niantsoroka manontolo ny asa : fotodrafitrasa, fampitaovana, fampidirana ny antontan-kevitra ao anatin’ny ordinatera, ahazoana mamoaka izany ho azy amin’ny mpaninjara izany…

R. Nd.

Partager sur: