Notanterahina ny herinandro teo, tany Ghana, ny atrikasa momba ny fitantanana ny trosa ho an’ireo fanjakana afrikanina ao anatin’ny tetezamita. Nikarakara izany ny eo anivon’ny “Institut africain de développement” ao amin’ny “Groupe de la banque africaine de développement”.
Tafiditra amin’ny “Spotlight” ao anatin’ny Akademia afrikanina ho an’ny fitantanana ny vola ho an’i Afrika, “Public Finance Management Academy – PFMA”, izany.
Niompanan’ny dinika ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fifampiraharahana amin’ny fitrosana sy ny fanavaozana trosa ho an’ireo fanjakana afrikanina ao anatin’ny tetezamita. “Tanjona amin’ity andiany Spotlight ity ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo fanjakana afrikanina amin’ny fitantanana ara-drariny ny volam-panjakana sy ny trosany”, hoy ireo tomponandraikitra. Tafiditra amin’ ny famolavolana politika, fandalinana ara-teknika, ary atrikasa anaty vondrona ny fizarana fahaiza-manao natao tamin’ny fiteny anglisy sy frantsay izany.
Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny solontena avy amin’i Madagasikara. Nahitana ny sekretera jeneraly lefitry ny Antenimierampirenena, nisolo tena ity Andrimpanjakana ity. Eo ny talen’ny trosa, nisolo tena ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Manampy izany ny talen’ny sampandraharahan’ny Fanadihadiana ny vola sy ny fanaraha-maso “Brigade d’investigation financière et de l’audit” sy ny mpitahiry vola misahana ny fampindramam-bola avy any ivelany “Trésorier principal des financements extérieurs”. Eo koa ny governora lefitra faharoa eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara, ary ny talen’ny programam-panjakana sy ny fanaraha-maso sy ny fanombanana, nisolo tena ny minisiteran’ny Fitsarana.
Synèse R.




