Canada, firenena anisan’ny mahaliana ireo tanora milaravinahitra any ivelany sy ireo mpifindra monina. Hapetraka ny rafitra mazava hiarovana ireo Malagasy any amin’ity firenena ity.
Natao sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny avy ao amin’ny Chambre de commerce et de coopération Canada-Madagascar (Cancham).
Fifanarahana hametrahana rafitra mazava sy azo antoka hiarovana ireo mpiasa malagasy milaravinahitra sy mifindra monina any an-toerana no tanjona. Fanamorana indrindra koa ny fanomezana ny antontan-taratasy ho an’ny mpiasa ho any amin’ity firenena ity ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tanora manoloana ny filan’ny firenena kanadianina.
Mahaliana ny tanora malagasy ny fikaramana any amin’ ity firenena ity noho ny fisian’ ny fahamarinan-toeran’ny asa. Liana amin’ny Malagasy rahateo io firenena io noho ny zotom-po sy fikirizana ananan’ny Malagasy. Efa an’arivony ireo Malagasy lasa any Canada tao anatin’ny 4 taona.
Manamafy ny andraikiny amin’ny fampiofanana ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’ asa hahafahan’ireo tanora hifaninana raha mitaha amin’ny mpiasa avy amin’ny firenen-kafa.
Tanjon’ny fiaraha-miasa koa ny hampiroborobo ny fifindra-monina matihanina ho an’ny Malagasy ka kendrena amin’izany ny hanomezana fahafahana ny tanora hahita asa any an-toerana.
Anisan’ny firenena mandray mpifindra monina betsaka i Canada ary tena liana amin’izany ny tanora. Maro ny sehatrasa misokatra any an-toerana, indrindra ny sehatry ny fahasalamana sy ny fikarakarana zokiolona ary ny sehatra teknika avo lenta.
Mitaky olona manana fahaiza-manao sy efa matihanina amin’izany sehatra izany anefa ity firenena ity fa tsy ny rehetra no raisiny. Mila ampy traikefa sy manana diplaoma sahaza, araka izany, ireo maniry ny hiasa any Canada.
Tatiana A




