Fanadinana BEPC : Cisco 30 mahery no efa namoaka vokatra

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo hatry ny omaly hariva, manodidina ny 30 ireo Cisco manerana ny Nosy, namoaka ny voka-panadinana BEPC. Nisantatra izany ny faran’ny herinandro teo ny distrikan’Iakora sy Ambatomainty ary Andramasina.
Manodidina ny 60% mahery ny ankamaroan’ny taham-pahafahana tamin’ireo distrika ireo. Amin’ireo Cisco efa namoaka vokatra, anisan’ny taha ambany nisongadina ny an’ny Cisco Anosibe An’Ala,19,05% ny taham-pahafaham-panadinana. Manodidina ny 39% kosa izany ho an’ny Cisco Faratsiho, Befotaka ary Midongy. Tafakatra 92,11% ny vokatra tao amin’ ny Cisco Manja. Miandry fatratra ny famoahana ny vokatra ny mpiadina eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra.
Tsiahivina fa mpiadina miisa 299 312 no niatrika ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy ary niparitaka tamin’ny ivontoeram-panadinana miisa 1 072, efitrano 9 000. Nilamina ny fanadinana tamin’ny ankapobeny.

Tatiana A

Partager sur: