Zokiolona: Hivoaka ny vola fisotroan-dronono volana jolay

Hanomboka ny alakamisy 10 jolay izao ny famoahana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona mandray izany eny amin’ny Perceptions principales sy ny Trésoreries principales ary ny Trésorerie principale inter-communale eto Antananarivo.
Handray izany ny laharana miafara amin’ny 0 hatramin’ny 2, ny alakamisy izao. Anja­ran’ny laharana miafara amin’ ny 3 hatramin’ny 5 kosa no mandray izany, ny zoma, ary mihato kely ny faran’ny herinandro.
Miverina mandray ny vola fisotroan-dronono indray ny zokiolona manana ny laha­rana miafara amin’ny 6 hatramin’ny 9, ny alatsinainy 14 jolay. Ny manana laharana miafara amin’ny A, B, C, D, E kosa no maka ny anjarany ny talata 15 jolay.
Manomboka ny alarobia 16 jolay no mahazo ny azy ireo mitondra ny fahazoan-dalana manokana sy ireo tara ny tetiandrom-pandaminana.
Ho an’ireo zokiolona mandray ny vola fisotroan-dronono eny amin’ny Paierie générale sy ny Recette générale eto Antananarivo kosa miara-mandray ny azy ireo laharana miafara amin’ny 0 hatramin’ny 5 ny alakamisy izao. Mitohy ny zoma 11 jolay ireo manana laharana miafara amin’ny 6 hatramin’ny A sy B. Miverina mitohy ny fakana fisotroan-dronono ho an’ny laharana miafara amin’ny C, D, E, F ny alatsinainy 14 jolay.
Manentana ny fanajana ny tetiandro ny tahirimbolam-panjakana ho fitsinjovana ireo zokiolona.

Tatiana A

Partager sur: