INDRAY MIJERY

Fananganan-tsaina volana jolay. Nisy ny fanen­tanana amin’ny fahavitrihana sy fahazotoana miasa nataon’ny sekretera jeneraly Harisoamanarivo Angelico Ennodius. Nirary soa sy nankasitraka ireo mpiasa tamin’ny ezaka fampandrosoana ny minisitera sy tamin’ny fandraisana anjara mavitrika tamin’ny lalao Asief izy.

Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana. Miantoka ny fisian’ny fanafody tsy tapaka ho an’ny fitsaboana maika sy vonjy taitra eny amin’ny hopitalim-panjakana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nisi­traka izany ireo marary voan’ny fanapoizinana ara-
tsakafo ao amin’ny hopitalin’ny Oniversite Analankininina Toamasina.

Mitohy ny asa ao amin’ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony. Miroso amin’ny fanomanana ny fanadinana bakalorea ny eo amin’ny “conclave”. Eo am-panomanana ihany koa ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra mandritra ny telo volana hoavy izy ireo. Nanen­tana ny rehetra ny Sekretera jeneraly, ny Pro­fesora Julien Salava, mba ho mailo hatrany manoloana ny tsy fandriampahalemana.

Partager sur: