Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, fa niakatra avo indray ny voninahitry ny firenena. Nasongadina ny dingana vita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Manamarika ny fahatokisana ananan’ny Firenena mikambana (ONU) an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny naha voafidy an’i Tombohavana Fabien ao amin’ny komitin’ny Firenena mikambana momba ny fiarovana ny mpiasa mpifindra monina sy ny fianakaviany. “Fandresena lehibe ho an’ny firenena malagasy no azontsika tamin’izany fifidianana izany”, hoy izy tamin’ny fananganan-tsaina teny Faravohitra, omaly.
Nanao tatitra ny dian’ny delegasionina notarihiny tany Genève koa ny minisitra. Nambarany ny nahazoan’i Madagasikara fiarahabana manokana tamin’ireo firenena maro.
Nahomby izany noho ny fahaiza-mitarika ananan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, araka ny nambarany. Nankasitrahiny koa ny fitondram-panjakana tamin’ny fanamboarana ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatofinandrahana sy ny fonjan’Ikelivondraka Ihosy. “Nasiana fiarovana manokana izany fa eo koa ny fampitaovana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fonjaben’i Volamena Fianarantsoa”, hoy izy.
Fanampiana ireo fonja
Nirary soa sy niarahaba ny lehiben’ny fampanoavana vaovao ao amin’ny Pac Fianarantsoa sy ny any Mahajanga ny minisitra. Ahitana an’i Marovola Jean Wasselin sy Ranorine.
Nampitaina tamin’izao fananganan-tsaina izao koa ny santa-bokatra ao amin’ny “Camp Pénal” Andonaka. Nahazo tohana ara-teknika sy ara-pitaovana ka nahazoana 200 t tamin’ny fambolena mangahazo.
Nankasitrahana manokana ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa rehetra ny minisitra noho ny fikarakarana sy ny fanomezana maro samihafa ho fanampiana eny amin’ ireo fonja manerana ny Nosy.
Synèse R.




