Depiote Ratsiraka Sophie: “Tsy azo terena ny vahoaka”

Mbola ny raharahan’ny kaominina Antanambao Maha­tsara, distrikan’i Vatomandry, faritra Atsinanana, ihany… Tsy mety milamina. “Ohatra ny hoe mampihorohoro vahoaka ny ao Vatomandry amin’izao hoe tsy maintsy handray fepetra. Nefa tsy azo terena koa ny vahoaka hanaiky ny olona tsy nofidiny. Tsy fantatra hatramin’izao izay ho vokatr’izany”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tao Vatomandry, Ratsiraka Sophie, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. Hiaraha-mahita eo ny ho tohiny.
Mbola manano sarotra ny ao amin’ny kaominina. Mbola misy ny fiantsoan’ny zandary sy ny fitsarana. Nomena samboady ny ben’ny Tanàna ankehitriny, nefa tsy nolanian’ny vahoaka. Lasa mampisy ahiahy ny fitohizan’ny fiarahamonina ao an-toerana. Toy ny mahazo sazy mihantona indray ny olona 13. Tsy fantatra hoe maninona? Mipetraka ny tsy fifankahazoana eo anivon’ny fiarahamonina. Niezaka namitram-pihavanana ny manampahefana eny ifotony, fa ny vahoaka no tsy manaiky ny hipetrahan’ny ben’ny Tanàna napetraka an-keriny. Sarotra ny raharaha, satria safidim-bahoaka io. Hany ka ny ben’ny Tanàna napetraka an-keriny lasa tsy sahy mandeha mankany Antanambao Mahatsara. Nilaza hidina any an-toerana ny depiote, ary hiresaka amin’ny andaniny sy ny ankilany. Ho hita amin’izany izay ho fanapahan-kevitra azo raisina.

R. Nd.

Partager sur: