Tafakatra 28 ny isan’ny maty tamin’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza ny, 14 jona lasa teo. Mbola misy olona 13 tsaboina ao amin’ny fameloman’aina ao amin’ny HJRA Ampefiloha hatramin’izao.
Rangahy iray 60 taona, tratra nanolana ny zana-badiny vao 13 taona monja. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny ity farany, taorian’ny fiakarany fitsarana teny Anosy, omaly. Tratran’ilay ramatoa vadiny nanampatra ny filany tamin’io zanany io tao an-dakozia izy io.
Lehilahy telo tratran’ny olona nagalatra lamba teny Imerintsiatosika, afakomaly. Nifanenjehana ary tsy navelan’ny fokonolona raha tsy tratra. Fantatra fa avy eny Anosibe izy ireo ary efa ela nokarohina fa izao vao tratra.
Jiolahy roa maty voatifitry ny zandary tany Anivoala Ampitabe, kaominin’Antsampanana, distrikan’i Brickaville, ny zoma lasa teo. Taorian’ny fanafihana mitam-piadiana tany Antsampanana. Nanao fanarahan-dia ny zandary ka izao nahatratrarana azy ireo izao.




