Ranomasimbe Indianina: Mampitovy tadindokanga ny ben’ny Tanàna AVCOI

Mampitovy fomba fijery ny ben’ny Tanàna aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Resy lahatra izy ireo fa avy ifotony no hiaingan’ny tena fampandrosoana.

Ny olana amin’ny hetra sy fampidiram-bola, ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fahaiza-mitantana sy ny miralenta… Ireo no iraisan’ny eo anivon’ny Fikambanan’ny ben’ny Ta­nàna an-tanàn-dehibe sy ny ny vondrombahoakam-paritra aty amin’ny faritry ny Rano­masimbe Indianina (AVCOI), nanomboka ny fivoriambe isan-taona eny Ivan­dry, omaly. Hijerena miaraka ireo olana setrain’ireo ben’ny Tanàna ny fivoriana. “Inona ny vahaolana iraisana entina eo amin’ny sehatry ny fitondram-panjakana amin’ny firenena tsirairay?”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna Antana­narivo Renivohitra, Ramanan­tsoa Harilala. Na eo amin’ny faritry ny Ranomasimbe In­dianina izany, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ma­neran-tany.
Vao nisy fivoriana tatsy Afrika Atsimo tsy ela, iraisan’ny ben’ny Tanàna afrikanina rehetra. Vao tamin’ny herinandro koa ny fivoriamben’ny ben’ny Tanàna maneran-tany. Mahatsapa ny fitondram-panjakana amin’ny firenena rehetra maneran-tany fa tsara ary ilaina ny miara-miasa amin’ny ben’ny Tanàna sy ny fisian’ny fitsinjaram-pahefana. Hisian’ ny tena fampandrosoana maharitra sy tafapaka any amin’ny mponina izany. Hiton­dran’ireo ben’ny tanàna feo iray ny fivoriana. Ny amin’ny vahaolana haroso ho an’ny faritry ny Ranomasimbe In­dianina izany. I Madagasikara sy i Kaomoro no firenena filamatra handrafitra famatsiam-bola ho amin’ny fampandrosoana.
Maharitra hateloana ny fivoriana misy mpandray anjara 45, ary hifarana rahampitso. Hoentina any amin’ny Cop 30 any Bresil amin’ny novambra ny fehinkevitry ny fivoriana. Eo koa ny amin’ny fivoriamben’ny G 20 etsy Afrika Atsimo amin’ny oktobra.

R. Nd.

Partager sur: