Zo fototra ny vaovao marina, fototry ny demokrasia sy ny fampandrosoana ny firenena, araka ny fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny olana sosialy eto amin’ny firenena. Lohatenin’ izany “Noana fahamarinana ny olom-pirenena”. Nambaran’izy ireo fa mahasoa ny mpitondra fanjakana sy ny firenena ny famakiana batsilana ny zava-misy marina, mba tsy ho voarebirebin’ny vaovao diso ny mpitondra sy ny olom-pirenena. Anisan’izany ilay menaka voatonotonona sy fandorana azy miely eny amin’ny tambazotran-tserasera sy ny vaovao. Nametram-panontaniana ny KMF/Cnoe: “Azonareo lavina sa ekenareo ve ireny vaovao ireny? Inona marina no nahatonga ireo fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo?”, hoy izy ireo. Feno ahiahy sy tebiteby lalina ny Malagasy na manotrona fety aman-danonana na miantsena izay ho sakafony andavanandro, araka ny fanambarany. “Mitaky vaovao tena marina sy ofisialy, dradradradrainareo ny olom-pirenena”, hoy izy ireo.
Etsy andaniny, momba ny Jirama. Nambaran’ny mpiasan’ny Jirama fa mangataka fihaonana amin’ny filohan’ny Repoblika izy ireo. “Ahoana ny tohiny? Ny fifampiresahana hatrany no mahavaha ny olana mba hialana amin’ny fikatsoan’ny raharaha”, hoy ihany izy ireo. Manantena ny KMF/Cnoe fa hampita amin’izy ireo ny hetahetan’ny olom-pirenena koa ny filohan’ny Repoblika. Anisan’izany ny fahatapahan-jiro sy ny rano, ny tohin’ireo voampanga ho nanodina vola, ny hadion’ny rano, tanjaky ny herinaratra, ny fampiandrasana lavareny ireo mpandoa vola. Ny fahatapahan’ny herinaratra mahatonga ny fahapoizinana ara-tsakafo…
Synese R.




