Menaka Roots : Tsy nahazo fahazoan-dalana tamin’ny minisitera

Nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, mahakasika ilay menaka Roots izay tsy manana fahazoan-dalana hohanina. Tsy hita anatin’ny tahirin-kevitra mahakasika ireo sakafo fihinana azo antoka sy nandalo fitiliana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny marika an’io menaka io. Tsy nandalo velively teo anivon’ny fitaleavana misahana ny fanaraha-maso sy ny kalitaon’ireo karazan-tsakafo na ny (ACSQDA) ity vokatra menaka fanendy Roots ity, raha ny fanazana nentin’ny tale, Andrianjaka Razafinarivo. Ny fitsirihana ireo karazana PPN mialoha ny vanim-potoana ny fety no nahitana fa tsy manara-dalàna ity akora ity ary tsy azo ampiasaina sy tsy azo hanina. Noraisina ny fepetra ka nesorina avy hatrany teny an-tsena izany ary nodorana.

Tatiana A.

Partager sur: