Mbola manitrikitrika ny fampanoavana sy ny minisiteran’ny Fahasalamana fa poizina mahery vaika no nahafaty ireo 29 mianadahy teny Ambohimalaza. Manamafy izany ny valin’ny fitiliana natao tany France.
Nampahafantarina tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny vokatry ny fitiliana natao tany France, mahakasika ilay tranga fanapoizinana teny Ambohimalaza ny 14 jona lasa teo.
“Voaporofo fa singa tsy fahita ao anatin’ny sakafon’olombelona sy ny vatan’olombelona mihitsy no nivoaka tamin’ny fitiliana ra sy ambin-tsakafo tao anatin’ny vavonin’ny marary sy maty vokatry ny fanapoizinana teny Ambohimalaza” , hoy ny dokotera, Andriantiaray Ramarolahy Tolotra, tale jeneralin’ny tolotra ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nohamafisiny hatrany fa nifandraika tanteraka tamin’ny fitiliana natao teto an-toerana izany. “Mandiso ny filazana fa fahapoizinana ara-tsakafo na “botulisme” ny valin’ny fitiliana. Tokony ho matin’ny hafanana ny botulisme. Tsy vitan’izay fa maro ny fikarohana natao fa tsy tokony hiteraka izany ny vokatra azo avy amin’ny mofomamy”, hoy hatrany ity dokotera ity.
Mitohy
Etsy ankilan’izany, hitohy ary hiverina indray ny fanadihadiana lalina mahakasika ny raharaha teny Ambohimalaza. “Efa misy ny naiditra am-ponja, efa misy ny olona nampanantsoina, misy ny telefaonina anaovana fitsirihana. Tsy maintsy ho fantatra ny marina mahakasika ity raharaha ity. Tsy mijabaka na miditra amin’ny asan’ny mpitandro filaminana izahay, ary manaja ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana”, hoy ny lehiben’ny fampanoavana, ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Rakotoniaina Narindra.
Marihina fa ny sampandraharaha misahana ny fanapoizinana “Specialize” any Frantsa no voalaza fa nanaovana ny fitiliana. Naharitra telo hatramin’ny enina herinandro ny faharetan’ny fitiliana. “Mandalo dingana maro sy tsy maintsy mandalo fanamafisana ny vokatry ny fitiliana ka izay no nahaelaela azy”, hoy hatrany ny fanazavan’ny Dr Andriantiaray Ramarolahy Tolotra.
Tatiana A




