HOSOKA bakalorea : Mitondra fanentanana ny minisitera

Ankatoky ny fanadinana bakalorea isika izao. Efa ifanotofana ireo karazana famerenana etsy sy eroa. Mirona manenjika ireny ny tanora. Nanafatrafatra ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa tsy tokony hovoarebirebin’ireo mpisoloky misandoka ho manana laza adina mialoha ny fotoana. Henjana ny sazy ampiharin’ny lalàna ho an’izay tratra manao izany ary tsy handefitra ny fanjakana. Satria, manapoizina ny mpianatra izany. Famerenana faramparany izao no hatao hifehezana ny fiatrehana ny fanadinana, fifehezana ny fotoana ary ny toromarika amin’ny fifehezana ny rarintsaina miatrika izany fanadinana izany. Ao anaty fitoniana no iatrehana ny fanadinana ka tsy tokony hiaina anaty korontana sy tebiteby ireo mpiadina.

Tatiana A

Partager sur: