Filankevitry ny governemanta: Nangataka fahafahana manao hetsika ny mpanohitra

Anisan’ny efa nodinihina sy voaresaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny herinandro lasa teo, ny tolo-dalàna avy amin’ireo solombavambahoaka, mpanohitra. Anisan’ny notakian’ireo depiote avy amin’ny fanoherana amin’izany ny momba ny fahafahana manao hetsika politika, ao anaty fahalalahana tanteraka manerana ny Nosy. Nanamafy izany ny depiote avy amin’ny Firai­sankina, natolotry ny Tim, voafidy eto Antananarivo Renivohitra, ny Me Razafi­manantsoa Hanitra. Namba­rany fa miompana amin’ny fanomezan-dalana hanatanteraka famoriam-bahoaka amin’ny toerana azon’ny besinimaro ifamezivezena izany fangatahana naroson’izy ireo izany. “Mbola hitondranay fanazavana amin’ny fotoana mampety aza ny antsipiriany momba io tolo-dalàna avy aminay eo anivon’ny solombavambahoakan’ny fanoherana io”, hoy ihany izy.
Niainga avy amin’ireo depiote Firaisankina eny amin’ny Antenimierampirenena ny famolavolana ity tolo-dalàna ity ary izao nivoitra tamin’ny filankevitry ny governemanta izao, araka ny fampitam-baovao ny alakamisy teo. Mitohy amin’ny fandinihana sy fankatoavan’ireo parlemantera aorian’ny hanomezan’ny governemanta ny heviny sy ny fahitany ny momba ny tena votoatiny.
Tsiahivina fa nahatsiaro ho niharan’ny sakantsakana ireo solombavambahoaka avy amin’ny fanoherana na ny antoko politika, tato ho ato. Tsy nahazo alalana hamory vahoaka izy ireo…

Synèse R.

Partager sur: