TSELATRA

Hiakatra fitsarana anio, i Da-Willy ilay lehilahy nanolan-jazavavy 6 taona. Andrasan’ny maro fatratra ny fampiharana ny sazy sahaza azy amin’io lehilahy mpanolana izay nanetsina fotaka tamin’ny sofin’ilay zazavavy io.
Fito lahy nosamborin’ny polisy tao Antsiranana Renivohitra, afakomaly. Tsy ampy taona ny ankamaroan’ ireo mpanao herisetra an-dalambe sady mampihoroho ny mpiray monina voasambotra ireo.
Mpisoloky milaza ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny orinasa iray ao Toalagnaro karohin’ny mpitandro filaminana ao Toliara, hatramin’ny omaly. Fisandohana andraikitra miampy fanaovana hosoka samy hiampangana io lehilahy io avokoa.

Partager sur: