Mipaka eny ifotony ny fampandrosoana ary ny vahoaka no laharam-pahamehana ho an’ny kaominina Ivato. Vita avokoa ny lalana sy ny elakela-trano any anaty fokontany maromaro ao an-tanàna.
Nanao tatitra ny zava-bita tao anatin’ny 5 volana nitondrany ny tanàna ao anatin’izao fe-potoam-piasana fahatelo izao ny ben’ny Tanàn’Ivato, Randrianarisoa Penjy, omaly. Nisongadina ny zava-bita ary hita fa mihiratra hatrany ny tanàna.
Lalana mirefy 5 km, mamakivaky ny tanàna sy ny elakela-trano tonga eny am-baravaran’ny olona mihitsy no natao hisian’ny fampandrosoana mivantana sy hita maso ary miantraika eny ifotony.
Fokontany maromaro ao anatin’ny kaominina samy nanaovana lalana avokoa amin’izao fiandohan’ny taom-piasana izao satria efa tena potika sy nilana fanamboarana tanteraka izany, hoy ny ben’ny Tanàna.
Tsy miandry ela ny fandraisana an-tanana ny fitarainan’ny mponina amin’ireo fotodrafitrasa fototra sy iombonana fa indrindra hanatsara ny any anaty tanàna rehetra. Miara-mihetsika ny ekipan’ny kaominina amin’ny fanatanterahana izany.
Nisy ny tohana avy amin’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Rakotoarisoa Johnny, tamin’ny fanatanterahana ny asa. Teo koa ny tolo-tanana teo amin’ireo malala tanana sy fifarimbonan’ireo mpandraharaha.
Nizarana jiro ihany koa ireo fokontany amin’ireo toerana be mpivezivezy. Hanampy amin’ny fandriampahalemana indrindra amin’izao ririnina mora maizina izao ireo jiro ireo.
Nampanantena ny ben’ny Tanàna fa hisitraka fotodrafitrasa avokoa ireo fokontany 13 ao an-toerana ary tsy misy hohadinoina. Jerena ny laharam-pahamehana ary tsy maintsy hatao avokoa izay fampandrosoana miantraika amin’ny vahoaka eny ifotony.
Tatiana A




