TSELATRA

Tonga teny amin’ny fitsarana Anosy, omaly maraina, ny fianakavian’ireo tanora namoy ny ainy vokatry ny fanapozinana ara-tsakafo teny Ambohima­laza ny 14 jona lasa teo. Mitaky ny hamoahana ny marina momba io raharaha io izy ireo. Miantso ny fianakavian’ireo niharam-boina rehetra ihany koa hanao ny fitakiana.
Lehilahy iray no voasambotry ny zandary tamin’ny resaka fisolokiana amin’ny alalan’ny fampiasana karatra, tetsy Ambohimasina Alakamisy, omaly. Mbola tratra teny aminy ireo karatra nampiasainy nentiny nisolokiana olona tamin’izany. Voarara ny fanaovana lalao kisendrasendra (jeux de hasard) tahaka izao.

Partager sur: