Andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina: Omena sehatra ny tanora hisafidy hoavy mamiratra

Mitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ka nilaza fa ny fanabeazana ny tanora hahafahan’izy ireo misafidy malalaka sy am-pahamendrehana ny lafiny ara-pananahana no vahaolana mahomby.

Andro maneran-tany ho an’ny mponina anio. Omeo ny tanora ireo fomba hanorenany fianakaviana araka ny safidiny ao anatin’ny tontolo marina sy feno fanantenana. Izany no lohahevitra voizina hanomezana se­hatra bebe kokoa ny tanora.
Hafatry ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina ny fanabeazana ny tanora hitondra fanatsarana ho an’ny fiainam-pianakaviana rahatrizay. Fanabeazana miaina sy mitia hametraka azy ireo ao anatin’ny tontolo marina sy feno fanantenana.
Tafiditra anatin’izany ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ho an’ny tanora sy ny isan-tokantrano, ny fana­tsarana ny fahasalamana ara-pananahana, ny fanajana ny miralenta eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fanomezana asa sahaza ny tanora ary ny fampirisihana azy ireo handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana.
Efa misy ny tondrozotra sy paikady napetraka ho an’ny mi­nisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Ao ny politika na­sionaly momba ny miralenta, ny fiarovana ny ankizy amin’
ny herisetra, ny fampiatiana sy ny fizankan-tena ho an’ny olona manana fahasembanana. Ny fanatsarana ny tolo-dalàna ho fiarovana ny zon’olombelona ary ny fampizakan-tena ny vehivavy amin’ny fa­nohanana ireo tetikasa fampidiram-bola ho an’ny fikambanana.
Araka ny tatitra momba ny mponina maneran-tany ho an’ny taona 2025 dia hita fa tsy mifanaraka amin’ny fenitra ara-tsosialy ho an’ny mponina ny fifehezana ny fiterahana sy ny fananahana. Maro ny sakana mahatonga izany izay misy fiantraikany amin’ny fandrindram-piterahana sy ny fampivoarana ny fiainam-pianakaviana.
Amin’ity taona ity dia hisy ny varavarana misokatra ma­nerana ny faritra 23 izay ha­nehoana ny andraikitra sy
asa sahanin’ny minisiteran’ny mponina sy firaisankina amin’ ny fampivoarana ny maha olona.

Tatiana A

Partager sur: