Filoha Rajoelina Andry : “Isika tsy naman’izay mitondra ratsy”

Nihaona tamin’ny vahoakan’i Sainte Marie ny filoha Rajoelina Andry, omaly, nialoha ny nanatanterahana ny filankevitry ny ministra tany an-toerana. Nambarany fa miaraka amin’ny vahoaka hatrany ny tenany.

“Tapatapaka ny jiro, tsy ampy ny herinaratra. Izay no mahatonga antsika hoe, ankehitriny, zava-dehibe goavana: vitantsika ihany koa ny “parc solaire 1 Mgw”, ho tokanantsika ihany koa eto Ste-Maire. Izay mitondra hazavana, hono, mitondra fanantenana. Ary izay mitondra fanantenana, mitondra fampandrosoana. Isika tsy naman’izay mitondra ratsy na mitondra haizina fa mitondra kosa fanantenana”. Io ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fahatongavany tao Ste-Maire, Faritra Analanjirofo, omaly, mialoha ny filankevitry ny minisitra.
Ho an’i Ste-Marie, mizotra any amin’ny lalan’ny fampandrosoana isika, mankany amin’ny lalan’ny fiovana. Mba hisian’ny fiantraikan’izany amin’ny fiainam-bahoaka, na mpizahatany, na ny vahoaka tsirairay avy.

Hijerena asa vita sy ny mbola hatao
Maromaro ny zavatra hatao any an-toerana. Ary izay no mahatonga ny Filankevitry ny minisitra any amin’iny faritra iny. Hijerena ny asa efa vita izany, ny asa mbola hatao, ary izay azo hanampiana ny va­hoaka amin’ny lafiny rehetra: fiainana andavanandro, fotodrafitrasa, famoronana asa… Izany rehetra izany ny hatao. Izao no nilazany hoe na amin’ny mora na amin’ny sarotra, miaraka hatrany amin’ny vahoaka izy. “Tadidinareo ta­min’ny Covid teto aho, ary izao indray aho tonga eto. Ary izay mamangivangy, hono, tia ha­vana. Tianay loatra ity Ste-Marie ity”, hoy izy. Tsy maintsy ho ampiana Ste-Marie, tsy maintsy mandroso.
Toerana malaza i Ste Marie, fanta-daza maneran-tany. Misy aza ireo vahiny malaza amin’ny haino aman-jery isan-taona fa tsy maintsy tonga eto Ste-Marie: i Julien Lepers, mijery sy manatontosa izany “Festival des baleines” izany. Toerana tena tsara, toerana an-kamamin’ny Mala­gasy sy indrindra indrindra, hatrany ivelany.

R. Nd.

Partager sur: