FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ny fitsarana sy ny fonja ao Ste Marie ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, omaly. Nojerena tamin’izany ny toerana azo hanorenana fonja vaovao. Eo koa ny fanatsarana ny fepetra iasana sy ny fiarovana ny zon’ny voafonja. Tsiahivina fa niatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra tany an-toerana ny minisitra.
Anisan’ny mandray anjara amin’ny Andro Afrikanina iadiana amin’ny kolikoly ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny nifampizarana tamin’izany ireo olana lehibe mifandray amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena. Tsiahivina fa mikarakara izany ny Transparency International – TI-MG.
Any Frantsa ny filohan’ny Antenimieran­doholona, Ravalomanana Richard, miatrika ny “Assemble parlemantaire Francophone – APF”. Hisy ny fihaonany amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona frantsay, Michel Laugier sy ny filohan’ny Vondrom-pifankatiavana Frantsa – Madagasikara. Hihaona amin’ireo zandary sy miaramila frantsay, niaraka taminy koa izy.
Hentitra ny tale jeneralin’ny ENMG, Ramaro­lahihaingonirainy Anthony. “Tsy miantoka izahay raha sanatria misy fifaninanana tany ho any sendra voalaza hoe misy kolikoly: tsy miantoka an’izay izahay. Ny anay ihany no fantatray: tsy mandray vola eto, tsy manao kolikoly eto”, hoy izy, tetsy Tsaralalàna, omaly.

Partager sur: