Filoha Rajoelina Andry : “Handray ny mpiasan’ny Jirama aho”

Manoloana ny fitakian’ny tambaben’ny mpiasan’ny Jirama fihaonana amin’ny filohan’ny Repoblika. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry fa handray ny mpiasan’ny Jirama sy ireo sendika izy.

«Milaza aho eto fa handray ny mpiasan’ny Jirama sy ireo sendika ary ireo olona rehetra mba hitondra izay zavatra mampiahiahy: inona no tena mety hisian’ny tsy fifankahazoana ao anatin’ny fitantanana?». Io ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry tany Ste Marie, omaly, tamin’ny fitokanana ny “parc solaire 1 Mgw”. Misy ny mpiasan’ny Jirama tena miasa, manao ny ainy tsy ho zavatra. Fa misy ny mirona any amin’ny hevitra hafa sy any amin’ny politika. Amin’izao ezaka atao izao, tsy ekena ny fanakorontanana, indrindra ny fanakantsakanana ny asa rehetra. “Vonona ny tenako hihaino anareo sy hanazava aminareo hoe izao ny lalan-kizorantsika. Misy ihany ao amintsika voarebireby, indrindra mitarika any amin’ny zavatra tsy tokony ha­tao”, hoy izy. Mila miray hina sy miara-miroso… Nanao an­tso izy fa miaraka aminy izay rehetra vonona hanavotra ny Jirama? Toy izany ireo mpiasa hilofo, indrindra hanangana Jirama vanona sy maharitra.
Hamafa tanteraka ny de­les­tazy ny fisian’ny “parc so­laire 1 Mgw” ao Ste Marie. Ny fandaniana dia ahazoana manao tahiry 2 500 000 L gaz oil. 12,500 miliara Ar izany, azo hanaovana fotodrafitrasa. Fananan’ny fanjakana hatolotra ny Jirama ny “parc solaire”. Ny fitadiavana vahaolana ho an’ny Jirama no fotoana lanin’ny filoha sy ny praiminisitra betsaka indrindra amin’ny fitantanana firenena. Raha misy ny fanampiana vola betsaka indrindra amin’ny fividianana solika sy ny fanofana “groupe” dia ny Jirama koa. Izao fitondrana izao no voalohany tena manam-piniavana hanavotra ny Jirama.
Nisy ny fitokanana ny lalana 89 Km mampitohy ny seranam-piaramanidina sy Ambodiantafana. Teo koa ny fizarana vatsy tsinjo, nilazany fa fomban’ny Malagasy ny mifampitsinjo na amin’ny sarotra na mora.

R. Nd.

Partager sur: