FITANTANANA NY SADC: Horaisin’ny filoha Rajoelina Andry

Herinandro vitsy sisa. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, tany Ste Marie, ny firosoan’ny fanomanana sy ny fikarakarana amin’ny handraisan’i Madagasi­ka­ra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, andiany faha-45. Tapa­ka tamin’izany fa hanomboka ny 3 hatramin’ny 18 aogositra izany fivoriana iraisam-pirenena hatao eto Antananarivo izany. Nodinihina manokana ny famindram-pitantanana sy ny fahefana amin’ny fitantanana ny Sadc ka handraisan’ny filoha Rajoelina Andry izany, manomboka izao raha ny filohan’i Zimbaboe no filoha am-perinasa.
Etsy andaniny, nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra fa efa miroso avokoa ny asam-baomiera eo anivon’ny kaomity mpitantana. Mbola ho avy rahateo ny iraka manokana hotarihin’ny sekretarian’ny Sadc hijery sy hanara-maso ny fanomanana faramparany, mialoha ny 3 aogositra.
Ankoatra izany, nankatoavina koa ny hampidirana ny eo anivon’ny Antenimieram­pire­nena ho ao amin’ny kaomity mpikarakara izao fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. “Handrafitra vaomiera parlemantera izy ireo hiandraikitra ny fandrindrana momba ny fanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny Sadc, hanovana ny “Forum parlemantaire” ho parlemantan’ny Sadc”, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.
Tsiahiviana fa mitohy hatrany ny fivoriana fanomanana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampony izany. Anisan’ny natao farany teo ny tetsy Ampahibe ka nandinihana manokana ny fiarovana ireo delegasionina sy ny fepetra momba ny filaminana ankapobeny.

Synèse R.

Partager sur: